1. Having therefore these promises, dearly beloved, let us cleanse ourselves from all filthiness of the flesh and spirit, perfecting holiness in the fear of God.
1. Ayant donc de telles promesses, bien-aimés, purifions-nous de toute souillure de la chair et de l`esprit, en achevant notre sanctification dans la crainte de Dieu.
1. Koa raha manana ireo tenifikasana ireo isika, ry malala indrindra, dia aoka isika hanadio ny tenantsika ho afaka amin’ny fahalotoana rehetra, na amin’ny nofo, na amin’ny fanahy, ka hahatanteraka ny fahamasinana amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra.
2. Receive us; we have wronged no man, we have corrupted no man, we have defrauded no man.
2. Donnez-nous une place dans vos coeurs! Nous n`avons fait tort à personne, nous n`avons ruiné personne, nous n`avons tiré du profit de personne.
2. "Raiso izahay; tsy nanisy ratsy olona izahay, tsy nanimba olona izahay, tsy nanambaka olona izahay."
3. I speak not this to condemn you: for I have said before, that ye are in our hearts to die and live with you.
3. "Ce n`est pas pour vous condamner que je parle de la sorte; car j`ai déjà dit que vous êtes dans nos coeurs à la vie et à la mort."
3. "Tsy miteny izany ho fanamelohana anareo aho; fa efa nilaza rahateo aho fa ao am-ponay ianareo, mba hiara-maty sy hiara-belona isika."
4. Great is my boldness of speech toward you, great is my glorying of you: I am filled with comfort, I am exceeding joyful in all our tribulation.
4. "J`ai une grande confiance en vous, j`ai tout sujet de me glorifier de vous; je suis rempli de consolation, je suis comblé de joie au milieu de toutes nos tribulations."
4. "Be ny fahasahiako miteny aminareo, lehibe ny reharehako ny aminareo; feno fiononana aho sady be hafaliana indrindra amin’ny fahorianay rehetra."
5. For, when we were come into Macedonia, our flesh had no rest, but we were troubled on every side; without were fightings, within were fears.
5. "Car, depuis notre arrivée en Macédoine, notre chair n`eut aucun repos; nous étions affligés de toute manière: luttes au dehors, craintes au dedans."
5. Fa na dia efa tonga tany Masedonia aza izahay, dia tsy nisy hiainan’ny nofonay, fa nampahorina tamin’ny zavatra rehetra: teo ivelany nisy ady, tao anatiny nisy tahotra.
6. Nevertheless God, that comforteth those that are cast down, comforted us by the coming of Titus;
6. Mais Dieu, qui console ceux qui sont abattus, nous a consolés par l`arrivée de Tite,
6. Fa Andriamanitra, Izay mampionona ny mpandefitra, no efa nampionona anay tamin’ny nahatongavan’i Titosy,
7. And not by his coming only, but by the consolation wherewith he was comforted in you, when he told us your earnest desire, your mourning, your fervent mind toward me; so that I rejoiced the more.
7. et non seulement par son arrivée, mais encore par la consolation que Tite lui-même ressentait à votre sujet: il nous a raconté votre ardent désir, vos larmes, votre zèle pour moi, en sorte que ma joie a été d`autant plus grande.
7. "Ary tsy tamin’ny nahatongavany ihany, fa tamin’ny fampiononana izay nampiononanareo azy koa, raha nambarany taminay ny fanirianareo sy ny fitomanianareo sy ny fahazotoanareo hanaiky ahy; ka dia mainka nifaly aho."
8. For though I made you sorry with a letter, I do not repent, though I did repent: for I perceive that the same epistle hath made you sorry, though it were but for a season.
8. Quoique je vous aie attristés par ma lettre, je ne m`en repens pas. Et, si je m`en suis repenti, -car je vois que cette lettre vous a attristés, bien que momentanément, -
8. "Fa na dia nampalahelo anareo tamin’ny taratasy aza aho, dia tsy manenina intsony, na dia efa nanenina ihany aza aho teo; fa fantatro fa efa nampalahelo anareo izany epistily izany, kanefa vetivety ihany."
9. Now I rejoice, not that ye were made sorry, but that ye sorrowed to repentance: for ye were made sorry after a godly manner, that ye might receive damage by us in nothing.
9. "je me réjouis à cette heure, non pas de ce que vous avez été attristés, mais de ce que votre tristesse vous a portés à la repentance; car vous avez été attristés selon Dieu, afin de ne recevoir de notre part aucun dommage."
9. "Ary mifaly kosa aho ankehitriny, nefa tsy noho ny nampalahelovana anareo, fa noho ny nampalahelovana anareo mba hibebaka; fa nampalahelovina araka an’Andriamanitra ianareo, mba tsy hataonay matiantoka na amin’inona na amin’inona."
10. For godly sorrow worketh repentance to salvation not to be repented of: but the sorrow of the world worketh death.
10. En effet, la tristesse selon Dieu produit une repentance à salut dont on ne se repent jamais, tandis que la tristesse du monde produit la mort.
10. "Fa ny alahelo araka an’Andriamanitra miasa fibebahana ho famonjena tsy hanenenana; fa miasa fahafatesana kosa ny alahelon’izao tontolo izao."
11. For behold this selfsame thing, that ye sorrowed after a godly sort, what carefulness it wrought in you, yea, what clearing of yourselves, yea, what indignation, yea, what fear, yea, what vehement desire, yea, what zeal, yea, what revenge! In all things ye have approved yourselves to be clear in this matter.
11. Et voici, cette même tristesse selon Dieu, quel empressement n`a-t-elle pas produit en vous! Quelle justification, quelle indignation, quelle crainte, quel désir ardent, quel zèle, quelle punition! Vous avez montré à tous égards que vous étiez purs dans cette affaire.
11. Fa, indro, izany alahelo araka an’Andriamanitra izany tokoa dia nahatonga fitandremana manao ahoana tao aminareo! eny, fanadiovan-tena manao ahoana! fahatezerana manao ahoana! fahatahorana manao ahoana! faniriana manao ahoana! zotom-po manao ahoana! famaliana ny ratsy manao ahoana! Tamin’izany rehetra izany dia nampiseho ny fahadiovanareo ny amin’izany raharaha izany ianareo.
12. Wherefore, though I wrote unto you, I did it not for his cause that had done the wrong, nor for his cause that suffered wrong, but that our care for you in the sight of God might appear unto you.
12. "Si donc je vous ai écrit, ce n`était ni à cause de celui qui a fait l`injure, ni à cause de celui qui l`a reçue; c`était afin que votre empressement pour nous fût manifesté parmi vous devant Dieu."
12. Koa na dia nanoratra taminareo aza aho, dia tsy noho ny nanao izay tsy marina, na noho ny niaritra izay tsy marina, fa mba haseho aminareo eo anatrehan’Andriamanitra ny fitandremanay anareo.
13. Therefore we were comforted in your comfort: yea, and exceedingly the more joyed we for the joy of Titus, because his spirit was refreshed by you all.
13. C`est pourquoi nous avons été consolés. Mais, outre notre consolation, nous avons été réjouis beaucoup plus encore par la joie de Tite, dont l`esprit a été tranquillisé par vous tous.
13. Ary noho izany dia nampiononina izahay tamin’ny fampiononanareo, eny, vao mainka nifaly izahay noho ny fifalian’i Titosy, fa ianareo rehetra efa namelombelona ny fanahiny.
14. For if I have boasted any thing to him of you, I am not ashamed; but as we spake all things to you in truth, even so our boasting, which I made before Titus, is found a truth.
14. "Et si devant lui je me suis un peu glorifié à votre sujet, je n`en ai point eu de confusion; mais, comme nous vous avons toujours parlé selon la vérité, ce dont nous nous sommes glorifiés auprès de Tite s`est trouvé être aussi la vérité."
14. "Ary raha nisy nataoko rehareha taminy ny aminareo, dia tsy mahamenatra ahy izany; fa tahaka ny nilazanay marina taminareo ny zavatra rehetra, dia tonga marina koa ny reharehanay tamin’i Titosy ny aminareo."
15. And his inward affection is more abundant toward you, whilst he remembereth the obedience of you all, how with fear and trembling ye received him.
15. Il éprouve pour vous un redoublement d`affection, au souvenir de votre obéissance à tous, et de l`accueil que vous lui avez fait avec crainte et tremblement.
15. Ary vao mainka nitombo ny fitiavany anareo, raha mahatsiaro ny fanarahanareo rehetra izy, dia ny haben’ny fahatahorana sy ny fangovitana nandraisanareo azy.
16. I rejoice therefore that I have confidence in you in all things.
16. Je me réjouis de pouvoir en toutes choses me confier en vous.
16. Noho izany, faly aho fa matoky anareo amin’ny zavatra rehetra.